Inona ny blaogy?
Ny teny hoe « Blog » dia fanafohezana ny teny hoe “weblog”, izany hoe fitehirizana ny zava-mitranga amin’ny internet. Matetika dia heverina ho toa ny takelaka manokana ny blaogy, toerana hahafahan’ny tsirairay milaza ny heviny mba ho hitan’ny rehetra.
“Telomiova Blaogy” no toerana voalohany hisian’ny blaogy natokana ho an’ny tontolon’ny fanabeazana malagasy.
Ho an’iza?
Ny Telomiova Blaogy dia natao ho an’ny mpampianatra, mpianatra, ny mpikaroka, ny mpanabe sy ny mpanofana eo amin’ny Seraseran’ny fampianarana, ny fikambanana izay mikarakara ny fifampizaram-pahaizana, ny raiamandrenin’ny mpianatra, ny mpiandraikitra ny toeram-pianarana isan-karazany.
Manana fahalalana na fahaizana tiana hozaraina ve ianao? Mitady zavatra tiana ho hay be be kokoa? Te handalina sy hifanakalo fahaizana? Misorata anarana hamorona blaogy eto amin’ny “Telomiova Blaogy”.
Maninona no hamorona blaogy?
Ny blaogy dia hanampy anao hanana ny toerana anao manokana mba hahafahanao mifanakalo hevitra amin’ireo olona hafa eto amin’ny Internet. Ary tsy izany ihany fa mba hahafahanao ihany koa mampiely izay zava-baovao tianao haely mba ho fampianarana ho an’ny hafa. Eo amin’ny blaogy ohatra no hanoratan’ny mpanoratra maro ny zavatra tiany, ny vaovao mitranga manodidina azy, ny zavatra izay manintona sy manohina azy. Ny blaogy dia toerana ifandraisana indrindra indrindra.
Ny Telomiova Blaogy hanampy amin’ny fampiasana ny blaogy ho fitaovana hahafahana mianatra sy mampianatra.
Ahoana no hatao?
Ny lahatsoratra dia miseho araka ny fotoana anoratana azy. Izany hoe izay nosoratana farany no mitranga ambony indrindra. Ny mpamaky avy eo dia afaka milaza izay heviny momba ny lahatsoratra asehon’ny tsirairay. Miforona eo izany ny fifandraisana manokana eo amin’ny mpanoratra sy ny mpamaky.
Izay voakasiky ny momba ny fanabeazana rehetra dia afaka manokatra blaogy! Ny Telomiova Blaogy dia manolotra anao fitaovana tonga dia vonona hanokafana sy hamoahanao ny blaoginao tsy mitaky fahaizana manokana. Koa te hahalala be be kokoa dia jereo ny fomba fampiasa ny blaogy.
Ohatra vitsivitsy momba ny karazana blaogy
- Blaogy taranjam-pampianrana: hahafahana mampianatra ireo taranja maro toa ny malagasy, frantsay, anglisy, tantara sy jeografia, filozofia, kajy, sy ireo taranja hafa. Azo ampiasaina ny blaogy mba hamoahana ireo lesona na ireo adina isan-karazany.
- Blaogy sary: hizarana ny tetikasa an-tsary, ny zavatra mahaliana sy mahafinaritra, ny asa atao, sns.
- Blaogy milaza vaovao: mba hampahafantarana amin’ny hafa ny vaovao mitranga eo amin’ny toerana misy anao na koa hevitrao momba ny zava-mitranga.
- Raki-baovao: toerana mety hitehirizana ireo zava-mitranga manokana amin’ny tetikasa ataonao ao am-pianarana, na koa ho an’ny mpampianatra, na izay zavatra eritreretina hatao sns.
- Blaogy CV: hahafahanao milaza ny mombamomba anao amin’ny endrika CV izany hoe misy ny là lana efa nolalovanao sy ny vinavinanao eo amin’ny sehatry ny asa.
- Le carnet de voyage: Raha ohatra ka nisy dia nataonao na “voyage d’études” dia azonao apetraka amin’ny blaogy ihany koa.
- Blaogin’ny zavatra tiana: samy manana ny zavatra tiany ny tsirairay, koa azo atao amin’ny blaogy koa izany… fa mety hahaliana ny hafa.
Tena misy be dia be ny antony mety hanokafana blaogy… ireto koa ohatra misy antony 10 ![]()

