Fitsipiky ny mpikambana

Dina sy fitsipika ifampifehezana

1. Fanolorana

Takela-tserasera (web) ho an’ny tsirairay najoro, naravona ary kojakojain’ny mpikambana ao amin’ny tranonkalan’ny Telomiova ny blaogy (na bilaogy, bolongana, “weblogs”). Mety hanaovana famoahana amin’ny aterineto, ametrahana rohy amin’ny fomba tsotra dia tsotra ary ifanakalozan-kevitra amin’ny mpiserasera rehetra, amin’ny alalan’ny fahazoana mametraka hevitra ao aminy ny blaogy.

Mahazo mamoaka lahatsoratra, kisarisary na saripika amina blaogy iray, azon’ny mpikambana hafa sy ny mpiserasera rehetra, ao anatin’ny andraikiny manontolo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Telomiova Blaogy.

2. Fepetra

* Ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana malagasy izy
* Manana adiresy imailaka miasa

Tsy manohintohina ny fomba tsara arahina, ny fiaraha-monina ary ny lalàna manankery sady tsy angalana zon’ny mpamorona fa andraikitry ny manoratra kosa ny votoatin’ny blaogy, ny fandraketana na fanehoan-kevitra an-tsoratra, sary, feo, lahatsary (oronantsary) mivoaka.

3. Fifampifehezana

Voarara ao amin’ny Telomiova Blaogy ireto zavatra manaraka ireto:

* Ny fanao rehetra mifanohitra amin’ny lalàna manankery, indrindra fa ny mandika na mizara rindrankajy (na rindrambaiko) tsy nahazoana alalana, mamoaka sary nopihan’olon-kafa tsy nahazoana alalana, ny manorisory, ny manambaka, ny varomaizina, ny fanaratsiana, ny fanavakavahana, ary ny fampirisihana fankahalana na fanaovana herisetra ;

* Ny mamoaka votoaty manohintohina ny zon’ny hafa na miendrika fanaratsiana, ny teny ratsy, manompa na teny mandratra ;

* Ny herisetra na fandrisihana hanao herisetra politika, fanavakahavana volonkoditra na fiaviana, ny sary vetaveta, ny resaka fametavetana zaza tsy ampy taona, ny fandisoana na fandavana ny tantara na zavatra nitranga ;

* Ny famadihana ny blaogy ho lasa fanaovana dokambarotra, fampielezankevitra na fisintonana olona hanaraka fivavahana iray, na hanaovana fivarotantena ;

4. Andraikitry ny mpikambana

Eo amin’ny fampiasana ny tolotry ny Telomiova Blaogy, amin’ny maha mpanangana ny blaoginy , tompony sy mpanetsiketsika azy dia tompon’andraikitra irery amin’izay votoaty ao anatiny ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Telomiova Blaogy na inona izany na inona (lahatsoratra, sary, feo, lahatsary, sns.).

Anjaran’ny tsirairay ny manaramaso sy manivana izay ho votoatiny, indrindra fa ny fanehoan-kevitra izay hapetraky ny mpiserasera.

Manasa ny mpikambana tsirairay izahay hamoaka ny dina sy ny fitsipika ifampifehezana ho an’izay mampiasa azy eo ampisoratana anarana hanokatra blaogy vaovao.

5. Fanafoanana

Manan-jo hampiato ny fidirana sy ny famoahana ny sombiny na ny votoaty manontolo anatin’ny blaogy nandika ny fepetra voasoratra ny Telomiova Blaogy ary miangavy ny mpikambana ao amin’ny Telomiova Blaogy hamafa ny votoaty mifanohitra amin’ny Dina sy fitsipika ifampifehezana na nanaovan’ny mpamaky fitarainana.

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Telomiova Blaogy, nanokatra blaogy, dia manana adidy :

* Hanoratra avy hatrany any amin’ny admin@telomiova.org izay fitarainana na zavatra hafa ataon’olonkafa ao amin’ny votoatin’ny blaoginy ;
* Hampita amin’ny Telomiova Blaogy izay votoaty rehetra mety mifanohitra amin’ny fitondra-tena tsara.

Manan-jo manokana handà na hanala ny votoaty rehetra ao amin’ny blaogy iray mandika ny lalàna manankery na ny fomba tsara ny Telomiova Blaogy ary afaka mampiantona blaogy iray tsy misy fampitandremana tsy misy hatak’andro.


Telomiova Blaogy

no toerana misy blaogy voalohany izay natokana ho an’ny tontolon’ny fampianarana malagasy. Afaka manana toerana ho azy manokana noho izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mba hahafahany mizara sy mifandray amin’ny hafa.