Fampiasana ny blaogy

Mialoha ny hanokafana blaogy, vakio tsara ny dina sy ny fitsipika ifampifehezana eto amin’ny blaogin’ny Telomiova Blaogy.

A. MANOKAFA BLAOGY HO ANAO

Raha mbola tsy manana anarana eto amin’ny tranonkala Telomiova ianao

  1. Misorata anarana. Ny fisoratanao ny anaranaomanko no ahafahanao miditra amin’ny tolotra rehetra.
  2. Mifidiana anaram-pamantarana na solon’anarana sy tenimiafina rehefa mameno ny fisoratana anarana ianao.
  3. Mankanesa ao amin’ny http://blaogy.telomiova.org ary dia midira.
  4. Rehefa tafiditra dia vonona ny blaoginao amin’ity adiresy manaraka ity:
    http://blaogy.telomiova.org/anarampamantaranaanao

Raha efa nisoratra anarana eto amin’ny tranonkala Telomiova ianao

  1. Raha handrindra azy dia mankanesa ao amin’ny http://blaogy.telomiova.org ary midira.
  2. Efa vonona ny blaoginao amin’ity adiresy manaraka ity:
    http://blaogy.telomiova.org/anarampamantaranaanao

3 - Mamoròna ny anarana blaoginao

  1. Piho ny bokotra “Safidy” eo ambony ankavanana.
  2. Eo ambanin’ny hihy Ankapobeny, ovay ary omeo anarana ny blaoginao ary fenoy ny fanazavana fohy mombamomba azy eo amin’ny antsoina hoe tagline.

B. RAHA HANDAMINA NY BLAOGINAO

1. Takelaka fandraisana ny blaogy

Efa navondrona ao amin’ny takelaka fandraisana ny fampiasana azy: raha hampiditra lahatsoratra vaovao, raha hanoratra takelaka vaovao, ny lisitry ny hevitra nivoaka faramparany ao amin’ny blaoginao, fidirana amin’ny mombamomba sy fandrindrana ny endriky ny tranonkala.

Blaogy accueil

2. Ahitsio ao amin’ny blaoginao ireto

Paramètres compte

Fenoy ny mombamomba ny blaoginao. Ahitsio hifanaraka amin’ny oran’ny toerana misy anao ny ora eo ary safidio ny teny tianao ampiasaina. Valideo (ampidiro).

3. Fenoy ny mombamomba anao

Profil

Fidio ny loko tianao hitranga ao amin’ny faritra Admin. ao amin’ny blaoginao. Fenoy ny mombamomba anao.
Valideo (ampidiro).

4. Ovay ny endriky ny blaoginao

Design
Piho ho ngeza kokoa

Endrika maromaro no efa vonona, fidio izay tianao. Tsindrio eo amin’izay fidionao ary dia iny no ho hitan’ny be sy ny maro.

C. AVOAHY NY LAHATSORATRAO VOALOHANY

écrire

Raha hanoratra lahatsoratra vaovao dia mankanesa ao amin’ny “Hanoratra lahatsoratra”. Afaka mamoaka lahatsoratra avy hatrany ianao, Tehirizo ho vakiraoka na soraty mialoha ny fivoahany.

Ampiasao ny bokotra fanamboarana endrika eo amin’ny mpanova lahatsoratra (éditeur de texte) raha hampiditra endritsoratra vaventy, soramandry, lokontsoratra, sns…

1. Sokajio

Afaka manasokajy iray na maromaro ny lahatsoratra tsirairay ianao.
Afaka mamorona sokajy ihany koa eo ampanoratana lahatsoratra. Raha handrindra ny sokajy rehetra dia mankanesa ao amin’ny “Gérer / Catégories” (”Arindrao/Sokajy”).

Ajouter une catégorie Ajouter une catégorie -résultat

Piho ho ngeza kokoa

2. Hampiditra  médias (sary, lahatsary,sns…)

Raha hampiditra tahirinkevitra ao anaty lahatsoratra, azo atao ihany koa ny mandrohy tahirinkevitra efa mipetraka ao amin’ny tahalan-tserasera na tahirinkevitra nosintonina ho ao amin’ny blaogy (15 Mo faratampony isaky ny tahirinkevitra, 200 Mo ny fitambarany).

media media

Tsindrio ho ngeza kokoa

média média

Piho ho ngeza kokoa

Ho tafiditra ao anaty lahatsoratra ilay tahirinkevitra.

Formats (fandrefy) médias ekena

ireto avy ny refin’ny tahirin-kevitra ekena : .jpg, .jpeg, .png, .gif, .pdf, .doc, .ppt, .mp3, .mp4, .mpg, .mov, .avi.

Torohevitra : Mialoha ny hampidiranao azy ireny ao amin’ny blaoginao dia eritereto ny vant de les télécharger sur votre blog, pensez à optimiser vos images ; amin’ny toerana tiana ametrahana azy tsara, amaivano ny lanjany, atsarao kokoa ny loko. Ny tena tsara ho an’ny sary manana ny fandrefy JPEG (ho an’ny saripika) na GiF (ho an’ny saritanana na sarintany) dia ny habe 72 dpi (ppp) izay tsy mihoatra ny 1500 pixels ny sakany ary 1 Mo eo amin’ny lanja.

Eritrereto ihany koa ny fampiasana toerana banga, de renintsoratra, tsy tokony hisy endritsoratra manokana (caractères spéciaux) na nitarina ao anatin’ny anaran’ny tahirinkevitra.

3. Ampidiro tags

Teny enti-mamantatra ny lohahevitry ny lahatsoratrao ny tags, fomba maoderina hanavahana lahatsoratra, ankoatra ny sokajy.

ajouter des tags

Ampidiro tags

Saraho amin’ny faingo ny tenim-pamantarana tsirairay. Tsy voafetra ny isan’ny tenim-pamantarana ampidirinao eo, fa ny toroana anao dia telo na efatra farafahabetsany no tsara apetraka eo.

4. Ny fanehoan-kevitra

Amin’ny voalohany dia omena alalana ny fametrahan-kevitra amin’ny blaogy manontolo. Fa azo atao ihany koa ny manakana ny fanehoan-kevitra amin’ny lahatsoratra iray na amin’ny blaogy manontolo na mamarana ny adihevitra tsy hitohy intsony.

Koa raha handrindra ny fanehoankevitra ary dia mankanesa ao amin’ny : “Gérer / Discussions” (Arindrao/adihevitra). Azonao atao ihany koa ny maninjara ny fivoahan’ny hevitra avy amin’ny anaran’ny mpanoratra, adiresy imailaka, na adiresy IP.

Azonao atao ihany koa ny manapa-kevitra hahazo imailaka isaky ny misy hevitra vaovao mipetraka na isaky ny misy hevitra iray miandry alalana hivoaka. Raha hanao izany dia mankanesa ao amin’ny ”Options/Discussions” (safidy/adihevitra).

Raha te-handrindra ny hevitra miandry fanekena hivoaka dia mankanesa ao amin’ny “Gérer/En attente de modération”(Arindrao/miandry fanekena).


Telomiova Blaogy

no toerana misy blaogy voalohany izay natokana ho an’ny tontolon’ny fampianarana malagasy. Afaka manana toerana ho azy manokana noho izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mba hahafahany mizara sy mifandray amin’ny hafa.