Antony folo

Ireo antony folo mety hanokafana blaogy

  1. Anao manokana ny toerana, anao manokana ny takelaka
  2. Haingana sy maimaim-poana ny fanokafana blaogy
  3. Tsy mila fahaizana manokana dia afaka manokatra blaogy
  4. Afaka mizara fahalalana amin’ny fomba tsotra dia tsotra
  5. Hitombo ny fifandraisana noho ireo hevitra apetraky ny mpamaky
  6. Ho afaka hifanerasera be be kokoa amin’ireo mpikambana hafa
  7. Sady mandray no afaka mizara amin’ny alalan’ny fitaovana tsotra sy maoderina
  8. Afaka mifandray amin’ny sekoly sy ny toeram-panabeazana hafa manerana ny tany
  9. Fomba manokana hamosahana ny hevitra sy ny talenta ary ny zavatra mahaliana
  10. Satria ho hitanao fa hanolotra fahafahana mivoatra sy fisokafana be dia be ho anao ny blaogy.

Telomiova Blaogy

no toerana misy blaogy voalohany izay natokana ho an’ny tontolon’ny fampianarana malagasy. Afaka manana toerana ho azy manokana noho izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mba hahafahany mizara sy mifandray amin’ny hafa.